RNS 5 : SOANIERANA IVONGO - IVAHIBE

RNS 5 : SOANIERANA IVONGO - IVAHIBE
Pont RN 35 MTPA
Lalana mirefy 152 km no natao tara izay notanterahin'ny orinasa CRBC tao anatin'ny 20 volana. Efa ny 95% ny asa no efa vita ankehitriny ary manaraka ny fenitra sy ny kalitao ny asa notanterahina. Ny famitana ireo asa famaranana toy ny loko sy ny fametrahana ireo aro-lozam-pifamoivoizana no sisa atao alohan'ny hitokanana ny RN5A.
Lalana izay anisan'ny nampitaraina ny vahoaka any amin'ny Faritra Avaratra nohon'ny haratsiny nandritra ny taona maro.
Nohon'ny fangatahan'ireo mponina dia hasiam-panamboara ireo lalana ao antampon-tanan'i Vohemar sy Daraina ary ny fokontany Andimaka.
Ny tanjona dia ny fanalana fahasahiranan'ireo vahoaka amin'ny fivezivezena sy ny famoahana ireo vokatra maro toy ny "vanille" amin'iny Faritra voakasiky ny tetik'asa.
Nanentana ireo mpampiasa lalana sy ireo mponina manodidina ny minisitry ny Asa Vaventy amin'ny fanajana sy fitandrovana ireo fotodrafitrasa mba hampaharitra azy ireny.