Boulevard Ratsimilaho – Toamasina Taorian’ny fandalovan’ny GEZANI
21/02/2026
Nahitana fahasimbana maro ny Boulevard Ratsimilaho ao Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI. Ireo foto-drafitr’asa manamorona ny morontsiraka no tena voakasika, ka simba sy nihotsaka ny tohatra ary potika ny jiro an-dalambe noho ny herin’ny rivotra sy ny fiakaran’ny rano.
Tonga nanao fitsirihana sy fanombanana ny fahasimbana ny DRTP Atsinanana sy ny LNTPB, niaraka tamin’ireo orinasa COLAS sy SMATP izay nanatanteraka ny asa teo aloha. Araka ny tombana voalohany dia mila soloina na amboarina ny lampadaires, haverina haorina ny tohatra, ary hohamafisina ny fiarovana manoloana ny onja sy ny fiakaran’ny rano, mba hanarenana haingana ity lalambe manan-danja ho an’ny tanàna ity.