FAMPANDROSOANA NY LALANA AMBANIVOHITRA: NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FIHAONAMBEM-PARITRA TANY KIGALI I MADAGASIKARA

23/02/2026
Photo

Notanterahina tao Kigali, renivohitr’i RWANDA, ny 16–18 Febroary ny fihaonambem-paritra momba ny teti-pivoarana fampifandraisana ny tontolo ambanivohitra, nifantoka tamin’ny fanamafisana ny connectivité, ny fitomboana ara-toekarena ary ny famoronana asa. Firenena afrikanina maherin’ny 20 no nandray anjara niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, ary nisolo tena an’i Madagasikara ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Asa Vaventy, Henri Jacob RAZAFINDRIANARIVO.

Nodinihina manokana ny fitantanana maharitra ny foto-drafitr’asa manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fikojakojana lalana ary ny fiarovana amin’ny fifamoivoizana. Nandray anjara mavitrika i Madagasikara tamin’ny adihevitra, nanasongadina ny paikadiny sy ny fenitra efa misy amin’ny fanorenana sy fikojakojana lalana ambanivohitra, izay manodidina ny 21.000 km, ho fanohanana ny fampandrosoana maharitra sy ny fifandraisana amin’ny tsena.