Fanatsarana ny RN43: Hampiova ny fiainan’ny mponina ao Vakinankaratra, Itasy ar Bongolava
Nidina ifotony teny amin’ny RN43 mampitohy an’i Sambaina sy Soavinandriana ny delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy notarihin’ny Tale Kabinetra RAMANANKAVANA Christian, hijery akaiky ny toetry ny lalana sy ny asa fikojakojana atao. Lalana stratejika mampifandray ny faritra Vakinankaratra, Itasy ary Bongolava izy io, saingy efa folo taona mahery no tsy nahitana fanamboarana ka niharatsy ny lalana.
Ankehitriny, tafiditra ao anatin’ny tetikasa MROR tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny RN43, ka efa hita maso ny fanatsarana. Antenaina fa hanatsara ny fivezivezena, ny fitaterana vokatra ary hanohana ny toekarena sy ny fizahantany amin’ireo faritra lalovany ny fahavitan’ny asa.
#MTP #miasaHoAnao #MROR #RN43 #asa_fikojakojana_sy_fanarenana