FANDRAISANA VONJIMAIKA NY LALAN’I JOFFRE VILLE AO ANTSIRANANA II
Tontosa ny fitsidihana sy ny fandraisana vonjimaika ny lalan’i Joffre Ville, notarihin’ny Minisitry ny Asa Vaventy Andriamatoa RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob. Mirefy 23 km ny lalana vita tara mitohy, ary pavé ny ampahany mankany amin’ny Parc, mifanaraka amin’ny filàna ara-pizahantany. Manakaiky ny Parc National de la Montagne d’Ambre i Joffre Ville ka nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banque mondiale tamin’ny alalan’ny tetikasa PIC. Efa eo am-pandraisana vonjimaika ny asa taorian’ny fanamarinana ara-teknika, ary hotanterahina ny fanitsiana madinika sisa alohan’ny fitokanana ofisialy.
Mitondra tombontsoa mivaingana ho an’ny mponina ny lalana: mihena be ny ora fivezivezena mankany Antsiranana, mora kokoa ny fitaterana marary sy ny fivezivezena ara-barotra, ary mihatsara ny toekarena eny ifotony. Vinavinaina hovaina ho lalam-pirenena izy mba hahafahan’ny fanjakana mikojakoja mivantana, ary entanina ny rehetra hiaro sy hikojakoja ny foto-drafitr’asa mba haharetany.