Fitaterana an-tanety eto Madagasikara: nandray anjara tamin’ny loabary an-dasy ny MTP
Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fanatsarana ny fitaterana an-tanety eto Madagasikara ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, amin’ny alalan’ny fananganana sy fikojakojana foto-drafitr’asa mifanaraka amin’ny filan’ny mpampiasa lalana. Miara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro izy ireo amin’izany. Nandray anjara tamin’ny loabary an-dasy tao amin’ny Plan Anosy ny ekipan’ny Minisitera, notarihin’ny Sekretera Jeneraly SAMBISOLO Emile Joseph sy ny Talen’ny Kabinetra RAMANANKAVANA Christian, ka namaly sy nandray an-tsoratra ireo fanontaniana sy fanamarihana avy amin’ny mpitatitra.
Anisan’ny lohahevitra nodinihina ny fahasimban’ny lalam-pirenena sy ny fikojakojana azy, indrindra ny RN7 eo anelanelan’Antananarivo–Antsirabe sy Sakaraha–Toliara. Nohazavaina fa maro ny asa fanamboaran-dalana mandeha miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ao koa ireo vatsian’ny Fonds Routier vola. Voaresaka ihany koa ny bac maimaim-poana ao Ifasy, ny tolo-dalana hamadihana ny “Fonds Routier” ho “Fonds d’Entretien Routier” izay efa eo am-piandrasana fandinihana, ary ny fanaraha-maso sy fanasaziana ireo fiara vaventy mihoatra vesatra. Tanjon’ny fihaonana ny hanamafisana ny fifanakalozan-kevitra sy hitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny sehatry ny fitaterana manerana ny Nosy.
#MTP #MTM #mpitatitra #fitaterana_an_Tanety #loabary_an_dasy