FITSIDIHANA IREO TETIKASA FANAMBOARAN-DALANA RNT12A sy RN13

09/02/2026
Tetezana

🔎Nanantanteraka fitsidihana ireo tetikasa fanamboaran-dalana roa lehibe any amin'ny Faritra Anosy sy Androy ny Sekretera jeneraly lefitra eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, 𝐴𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑚𝑎𝑡𝑜𝑎 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀𝐋𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐓𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚𝐳𝐚𝐟𝐲 𝐘𝐯𝐨𝐧 sy ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisitera ny Asa Vaventy ary ny Agence Routière.

✅RN13: Taolagnaro - Ambovombe (107km) izay vatsian'ny Vondrona Eoropeana vola ny asa fanarenana.

Efa miditra amin'ny famaranana ny asa ny orinasa ankehitriny, ao anatin'izany ny fanamboarana ny Tetezan'i Manambaro sy Bevilany ary ny fanatsarana hatrany ny arabe izay ho vita tsy ho ela.

☑️RNT12A: Taolagnaro - Ebakika (45km), tetikasa vatsian'ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana sy ny Vondrona Eoropena vola.

Efa vita tanteraka ny asa fanamboarana lalana izay natao tara sy ny tetezana eo Ebakika izay manafoana ny fiampitana amin'ny Baka nampiasaina teo aloha.

🚧RNT12A: Ebakika - Somisika (120km), tetikasa PACFC 2 vatsian'ny BAD, UE, OFID.

Efa manomboka ny asa fanamboaran-dalana sy ireo Tetezana miisa 7 entina hanoloana ireo Baka eo Vatomirindry, Iabokoho, Manambato, Esama, Manampanihy, Maroroy ary Befasy.

🤝Nandritry ny fandalovan'Andriamatoa SGAP tany amin'ny Faritra Anosy sy Androy dia nisy koa ny fihaonana tamin'ireo tompon'andraikitra any an-toerana. Nifampiresahana tamin'izany ireo paik'ady entina hampandrosoana ny Faritra sy ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana.