MANAKARA Fandraisana vonjimaika ny asa fanamoarana lalana an-tanàn-dehibe

15/02/2026
MANAKARA

Tontosa, ny asabotsy 14 Febroary 2026 teo, ny fandraisana vonjimaika ny asa fanamboarana lalana an-tanàn-dehibe tao Manakara, izay ao anatin' ny tetik'asa PIC3 vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola.

📍Tafiditra ao anatin’ity tetikasa fanatsarana foto-drafitr'asa ity ireo lalambe sy faritra maitso, natao hanatsarana ny fivezivezena sy ny endriky ny tanàna.

🔹𝐄𝐨 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐁𝐞:

Mahatratra 2,926 km ny halavany, ary miovaova 6 ka hatramin’ny 9 metatra ny sakany.

Anisan’ny asa vita ny fametrahana jiro an-dalambe miisa 46 sy famantarana mitsangana ary marindrano, ho fanamafisana ny fiarovana ny mpampiasa lalana.

🔹𝐍𝐲 𝐞𝐨 𝐌𝐚𝐫𝐨𝐚𝐥𝐚𝐤𝐞𝐥𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐞𝐨 𝐀𝐦𝐛𝐚𝐥𝐚𝐬𝐚𝐨𝐧𝐣𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐥𝐞 𝐕𝐢𝐥𝐥𝐞:

Mirefy 1,168 km, misy sakany 6 ka hatramin’ny 10 metatra. Natsangana ny tambajotran-drano maloto sy ranon’orana, natao ny sisin-dalana, nohamafisina ny tatatra fanariana rano ary nohavaozina ireo lakan-drano fiampitana miisa roa.

🔹𝐄𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 :

Mirefy 360 metatra ny halavany ary 5 metatra ny sakany.

Tafiditra tamin’ny asa ny fametrahana ny fanasarahana vita amin’ny beton eo afovoan-dalana, fametrahana jiro💡roa isaky ny andry (miisa 6), fametrahana fitoeram- boninkazo miisa 48 eo amin’ny faritra afovoan-dalana, ny fanavaozana "Rond-point" miisa 3, ary famantarana fiarovana eny an-dalana.

🔹𝐄𝐨 𝐀𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐨 :

Mirefy 0,583 km, sakany 9 ka hatramin’ny 12 metatra. Natsangana ny tambajotran-drano mahomby, napetraka ny jiro an-dalambe💡 miisa 12, ary nohatsaraina ny famantarana fiarovana eny an-dalana.

🌳𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐚𝐢𝐭𝐬𝐨𝐌𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐛𝐞 (𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐚𝐧𝐧𝐲 𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀) :

Nohamafisina ny fanitsiana sy fampitoviana ny tany, novolena bozaka, namboarina ny lalan-kely voarakotra vato, napetraka ny seza beton ary natsangana ny sora-baventy “HAFA AVAO MANAKARA” miaraka amin’ny jiro fanazavana.

🎯Amin’ny ankapobeny, ireo asa ireo dia mitondra fanavaozana hita maso ho an’ny tanàna, manamora ny fivezivezena, manatsara ny fahadiovana sy ny fitantanana ny rano, ary manamafy ny fiarovana ny mpampiasa lalana ao Manakara.

#hafa_avao_Manakara