RN10 : miroso ny asa fanamboarana eo anelanelanโi Ampanihy sy Ambovombe
Mitohy ny fanatanterahana ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny ๐๐๐ฅ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐๐ง๐๐ง๐ ๐๐๐ก๐-๐๐ (๐๐๐๐), ๐ฆ๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐ญ๐จ๐ก๐ฒ ๐๐ง’๐ข ๐๐ฆ๐ฉ๐๐ง๐ข๐ก๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐๐ฆ๐๐จ๐ฏ๐จ๐ฆ๐๐, ao anatin’ny tetikasa PCMCI, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola.
Mizara roa ny asa.
๐ด๐๐๐โ๐๐-๐๐๐๐๐๐ ๐ฃ๐๐๐๐โ๐๐๐ฆ :
๐๐ฆ๐ฉ๐๐ง๐ข๐ก๐ฒ – ๐๐๐ฅ๐จ๐ก๐ (92,90 km), ao anatin' ny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana.
16 km no efa vita "terrassement".
Efa vita tanteraka 100% ihany koa ny "dalot" 6 , izay singa manan-danja amin’ny fikorianan’ny rano sy fiarovana ny lalana.
Ny orinasa CCEED no manatanteraka ny asa.
๐ด๐๐๐โ๐๐-๐๐๐๐๐๐ ๐๐โ๐๐๐๐:
๐๐๐ฅ๐จ๐ก๐ – ๐๐ฆ๐๐จ๐ฏ๐จ๐ฆ๐๐ (111,766 km), mahakasika ny Faritra Androy.
18 km ny "terrassement" vita.
Ny orinasa CRCC no miandraikitra ny fanatanterahana.
Amin’ny ankapobeny, tanjona amin’ity tetikasa ity ny hanatsara ny fivezivezen’ny olona sy ny entana, hampiroborobo ny toekarena any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny, ary hanamafy ny fifandraisana eo amin’ireo distrika voakasika.
Mitohy araka ny fandaharam-potoana ny asa eny ifotony.