RN11 A sy RN23: Manara-masa ny asa fanarenana ny Minisitry ny Asa Vaventy

01/03/2026
Photo

Nidina ifotony teny amin’ny RN11A sy RN23 ny Minisitry ny Asa Vaventy RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob, hanara-maso ny asa fanarenana miainga eo Vatomandry ka hatrany amin’ny lalana mampitohy an’i Mahanoro sy Marolambo. Ireo lalana ireo dia efa fantatra amin’ny fahasimbany sy ny faharatsiany hatramin’izay, ka miteraka fahasahiranana lehibe ho an’ny mpampiasa, indrindra amin’ireo teboka tena ratsy ahitana fiara tafahitsoka matetika.

Efa miroso ny asa na dia voasakana noho ny rotsak’orana aza, ary nomena toromarika ny mpanatanteraka mba hanamafy ny fametrahana vatovato (empierrement) amin’ireo faritra manahirana ary hanararaotra ny andro maina hanangonana akora sy hanohizana ny asa. Tanjona ny hanamaivanana haingana ny fahasahiranan’ny mpampiasa lalana.

#MTP #miasaHoAnao #RN11A #RN23 #asa_fanarenana