RN7 Antananarivo-Antsirabe

16/01/2026
Photo RN7

Efa miroso amin’ny fandrakofana tara ny asa fanarenana ny RN7 Antananarivo–Antsirabe, ka manomboka mihatsara tsikelikely ny fivezivezena. Samy efa eny an-toerana avokoa ireo orinasa mpanatanteraka, na dia misy aza ny fanelingelenana ateraky ny rotsak’orana amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Manoloana izany dia nanova ny fomba fiasa ireo orinasa ka miasa andro aman’alina mba hahafahana manohy haingana ny fandrakofana tara, indrindra amin’ireo ampahany tena ratsy eo anelanelan’Ambatolampy sy Antsirabe.

Hentitra ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, amin’ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny toromarika efa napetraka. Araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny MTP, Rafefimanana Sambilason Richard, dia handraisana fepetra avy hatrany ireo orinasa tsy manaraka na tsy maharaka ny asa. Antso avo ihany koa no atao amin’ireo mpampiasa lalana mba hanana faharetana, hanaraka ny lamina eny an-dalana ary hitandrina amin’ny hafainganam-pandeha, indrindra amin’izao fotoanan’ny orana izao. Ny asa fanarenana dia vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa PDDR sy ny Tahirim-bola ho an’ny Lalana.