RN7 Antananarivo – Antsirabe: Mandroso ny fandrakofana tara sy ny fanamboarana foto-dalana
11/03/2026
Mitohy ny asa fikojakojana ny RNP7 mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe, ka anisan’izany ny fandrakofana tara eny Behenjy sy ny miditra Ilempona ary ny fanamboarana “couche de base” miainga eo Andranomanelatra mankany Antsirabe.
Manara-maso akaiky ny kalitaon’ny asa ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, ary nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa ny ekipa teknika notarihin’ny Tale Kabinetra RAMANANKAVANA Christian, mba hanatsarana ny lalana sy hanamora ny fivezivezena.