RNS12 SY RNT12A

13/02/2026
RNS12 SY RNT12A

☑️Efa misokatra tanteraka ho an’ny fiara rehetra ny fivilian-dalana eo amin’ny PK 266+300, ao Besakay amin' iny RNS12 iny.

Zava-dehibe ho an’ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana entana izany, indrindra amin’izao vanim-potoana mety hisian’ny fahasimban-dalana nohon' ny rotsak’orana izao.

Manampy amin’ny fanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy manatsara ny fiarovana ho an’ny mpampiasa lalana ihany koa ny fisokafan’ity fivilian-dalana ity.

✅Efa 92,45% kosa ny taham-pahavitan’ny asa fanamboarana eo amin’ny PK 207+150, lalana mampitohy ny RNS12 sy ny Pont Manambato Farafangana.

Efa eo am-panatanterahana ny asa famaranana sy fanitsiana farany ny orinasa mpanatanteraka.

🛣️Mandroso koa ny asa fanamboarana ny RNT12A, mampitohy an'i Masianaka sy Vangaindrano.

Ny mba hanajana hatrany ny voarakitra ao anatin' ny bokin'andraikitra sy ny hanafainganana ny asa no toromarika nomena ny Orinasa.

📍Manamarika dingana lehibe eo amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena ny fidinana ifotony notanterahin’ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy 𝐴𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑚𝑎𝑡𝑜𝑎 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐂𝐡𝐫𝐢𝐬𝐭𝐢𝐚𝐧 sy ireo teknisiana ary ireo tompon'andraikitra samihafa avy ao amin' ny Faritra niara-dia taminy, teny amin' ny RNS12 sy RNT12A, ny Alarobia sy Alakamisy teo.

Maneho ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hanara-maso akaiky ny kalitao sy ny hafainganam-pandehan’ny asa izany.

🎯Ny fanarenana ny RNS12 sy ny RNT12A dia heverina ho anisan’ny tetikasa foto-drafitr'asa stratejika ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

Ankoatra ny fanamorana ny fivezivezena manko, dia manampy amin’ny fampiroboroboana ny toekarena any ifotony koa ny fahavitany.

#MTP #miasaHoAnao #visite #RNS12 #RNT12A