Actualités

RN7 Antananarivo – Antsirabe: Mandroso ny fandrakofana tara sy ny fanamboarana foto-dalana

Photo
11/03/2026

Mitohy ny asa fikojakojana ny RNP7 (Antananarivo–Antsirabe), ahitana fandrakofana tara sy fanamboarana “couche de base”. Tanjona ny hanatsarana ny fivezivezena sy ny kalitaon’ny lalana.

Fanatsarana ny RN43: Hampiova ny fiainan’ny mponina ao Vakinankaratra, Itasy ar Bongolava

Photo
11/03/2026

Nidina ifotony teny amin’ny RN43 ny delegasionan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa MROR tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny lalana.

Fitaterana an-tanety eto Madagasikara: nandray anjara tamin’ny loabary an-dasy ny MTP

Photo
04/03/2026

Nandray anjara tamin’ny loabary an-dasy tao Plan Anosy ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, notarihin’i SAMBISOLO Emile Joseph sy RAMANANKAVANA Christian. Niresahana ny fahasimban’ny lalam-pirenena, indrindra ny RN7, ary...

RN11 A sy RN23: Manara-masa ny asa fanarenana ny Minisitry ny Asa Vaventy

Photo
01/03/2026

Nitsidika ny RN11A sy RN23 ny Minisitry ny Asa Vaventy hanara-maso ny fanarenana, ary nohamafisina ny asa amin’ireo teboka ratsy mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpampiasa lalana.

𝗜𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗘𝗟𝗘𝗚𝗔𝗦𝗜𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗨𝗘/𝗕𝗘𝗜

𝗜𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗗𝗘𝗟𝗘𝗚𝗔𝗦𝗜𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗨𝗘/𝗕𝗘𝗜
26/02/2026

Tonga nanao iraka fanaraha-maso eto Madagasikara ny Delegasionan’ny Vondrona Eoropeana (UE) sy ny Banky Eoropeana momba ny Fampiasam-bola (BEI), ho fanombanana ireo tetikasa lehibe fanamboaran-dalana vatsian’izy ire...

FANDRAISANA VONJIMAIKA NY LALAN’I JOFFRE VILLE AO ANTSIRANANA II

Photo
25/02/2026

Tontosa ny fandraisana vonjimaika ny lalan’i Joffre Ville, notarihin’ny Minisitra Andriamatoa RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob. Mirefy 23 km ny lalana, manakaiky ny Parc National de la Montagne d’Ambre, tetikasa notoha...

FAMPANDROSOANA NY LALANA AMBANIVOHITRA: NANDRAY ANJARA TAMIN’NY FIHAONAMBEM-PARITRA TANY KIGALI I MADAGASIKARA

Photo
23/02/2026

Tao Kigali (RWANDA) no natao ny fihaonambe momba ny fampifandraisana ny tontolo ambanivohitra. Nandray anjara i Madagasikara ary nanasongadina ny paikadiny amin’ny fikojakojana lalana ho fampandrosoana maharitra.

Boulevard Ratsimilaho – Toamasina Taorian’ny fandalovan’ny GEZANI

Photo
21/02/2026

Nahitana fahasimbana ny Boulevard Ratsimilaho ao Toamasina taorian’ny rivo-doza GEZANI. Efa natao ny fitsirihana ary kasaina haingana ny fanarenana ireo fotodrafitrasa potika.

MANAKARA Fandraisana vonjimaika ny asa fanamoarana lalana an-tanàn-dehibe

MANAKARA
15/02/2026

Tontosa, ny asabotsy 14 Febroary 2026 teo, ny fandraisana vonjimaika ny asa fanamboarana lalana an-tanàn-dehibe tao Manakara, izay ao anatin' ny tetik'asa PIC3 vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola.

RN10 : miroso ny asa fanamboarana eo anelanelan’i Ampanihy sy Ambovombe

RN10
13/02/2026

Mitohy ny fanatanterahana ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny 𝐋𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚-𝟏𝟎 (𝐑𝐍𝟏𝟎), 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐢𝐡𝐲 𝐬𝐲 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐯𝐨𝐦𝐛𝐞, ao anatin’ny tetikasa PCMCI, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola.

Affichage de : 1 à 10 sur les 148 résultats