Andro Afrikanina iadiana amin’ny Kolikoly 2025 : Fanentanana mitohy ho amin’ny Fahamarinana.

Ny datin'ny 11 jolay no hanamarihana izany isan-taona.
Nandray anjara feno tamin'ny hetsika rehetra fankalazana ny Ministeran'ny Asa Vaventy, tamin'ny alalan'ny Birao misahana ny fitarainana sy ny ady amin'ny kolikoky na ny BTDLC.
Naranty sy nampahafantarina ireo mpitsidika tao amin'ny trano heva nisy ny BTDLC-MTP, tetsy amin'ny Havoria Anosy, omaly io, ireo dingana efa vita sy ampiharina eto amin'ny Minisiteran' ny Asa Vaventy, toy :
ny Politika anaty iadiana amin'ny Kolikoky na ny PILCC,
ny fitsipi-pitondrantena ho an'ny mpiasa na ny "Code de conduite", sy maro hafa.
Ankoatra ny fampirantiana, tao anatin'ny fifanakalozana adihevitra na "conférence-debat" no nanasongadinana ny lohahevitra fanamarihana tamin'ity, dia ny "Fanandratana ny Hasin'ny Maha Olona eo amin'ny Ady atao Amin'ny Kolikoly"
Nifantohana betsaka ihany koa ny momba ireo paikady sy fomba vaovao hiadiana amin'ny kolikoly.
Ireo Rantsana 5 miady amin'ny Kolikoly eto amin'ny Firenena : CSI-BIANCO-SAMIFIN-PAC-ARAI no tompo-marika tamin'ity fankalazana nanasa ny rehetra ity.
Ho an'ny Minisiteran' ny Asa Vaventy, ny Sekretera Jeneraly SAMBISOLO Joseph Emile sy ny Talen'ny BTDLC NOROMAMY Francine no nitarika ny Ekipa tamin'ny fandraisana anjara sy fanotronana rehetra.