Ny BTDLC na « Birao misahana ny fitarainana sy ny ady amin’ny kolikoly eto amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy »
1- NY MOMBA AZY SY NY ANTOM-PISIANY
Ny didim-panjakana laharana 2021-0854 tamin’ny 09 Septambra 2021 mamaritra ny andraikitry ny Ministeran’ny Asa Vaventy sy ny fandaminana ankapobeny no nametraka ity Birao misahana ny Fitarainana sy ny Ady amin’ny Kolikoly ity.
Ankinina aminy ny fanangonana sy fitahirizana ny fitarainana rehetra tonga sy voaray ao amin’ny Ministera, ny mikarakara sy manaraka ny momba izany amin’ny fomba haingana ary ny misoroka ny kolikoly amin’ireo asa iandraiketan’ny Ministera amin’ny ankapobeny.
Manana sampan-draharaha roa ny BTDLC :
i. ny sampan-draharaha miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly
ii. ny sampan-draharaha misahana ny fitarainana
2- TANJONA
- Fisorohana ny kolikoly : Mametraka rafitra mahomby hisorohana ny kolikoly amin'ny fitantanana ireo tetik’asan’ny fotodrafitr’asa, manomboka amin'ny fandrindrana ka hatramin'ny fanatanterahana.
- Fampitomboana ny mangarahara : Miantoka ny mangarahara amin'ny fanomezana ny tsena-barom-panjakana, ny fitantanana ny vola, ary ny fanatanterahana ny tetik’asa mba hampihenana ny risika amin'ny fanodinkodinam-bola.
- Fampahafantarana ireo mpiara-miombon’antoka : Manome vaovao sy fanabeazana ho an'ny mpiasa eo anivon'ny Minisitera, ny orinasa mpiara-miombon’antoka, ary ny olom-pirenena momba ny risika ateraky ny kolikoly sy ny fepetra tokony horaisina mba hiatrehana izany.
- Fanamafisana ny andraikitra : Mampiroborobo ny kolontsaina andraikitra sy fahitsiana eo amin'ny mpiasan'ny Minisitera sy ireo mpiara-miasa aminy, amin'ny alàlan'ny fitaterana ny asan'izy ireo sy ny fanapahan-keviny.
3- IRAKA
- Fandraisana sy fikirakirana ny fitarainana : Mamorona rafitra azo antoka amin'ny fandraisana ny fitarainana sy ny tatitra avy amin’ny vahoaka sy ny mpiasan'ny Minisitera momba ny kolikoly na ny tsy fahatomombanana amin’ny tetikasa fanorenana atao eto amin’ny Firenena.
- Fanamarinana sy fanaraha-maso : Manamarina ny momba ireo tranga nambara, mandefa sy mampita izany any amin’ireo Tompon’andraikitra mahefa ary manome antoka fa misy fanaraha-maso hentitra momba ireo raharaha mba hampiharana ny fepetra sahaza.
- Fisorohana sy fampahafantarana : Mametraka fandaharan'asa fampiofanana sy fampahafantarana ho an'ny mpiasan'ny minisitera sy ny orinasa mpiara-miombon’antoka mba hampiroborobo ny kolontsaina fahitsiana sy etika amin'ny fanomezana sy fitantanana ireo tetik’asa.
- Fanaraha-maso ny rafitra anatiny : Manamafy ny rafitra fanaraha-maso anatiny mba hampihenana ny risika amin'ny kolikoly amin'ny dingana rehetra amin'ny tetik’asa fanorenana, manomboka amin'ny tolotra ka hatramin'ny fanatanterahana ny asa.
- Fiaraha-miasa amin'ireo andrim-panjakana mpanara-maso : Miara-miasa akaiky amin’ny Birao Mahaleo Tena miady amin'ny kolikoly na ny BIANCO mba hanatsarana ny fomba fiasa, hizara ny fomba fanao tsara indrindra ary hitondra fiaraha-mientana eo amin'ny sehatry ny Asa Vaventy.
4- VINA
Hanangana tontolo iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy izay ahitana ny fahitsiana, ny mangarahara, ary ny andraikitra ho foto-kevitra iorenan’ny asa rehetra. Ny birao dia mikendry fitantanana sy fampiasaina amin'ny fomba mahomby sy ara-drariny ny loharanon-karena, ary tsy hisy fandeferana amin’ny kolikoly. Ny tanjona maharitra dia ny fananganana fifampitokisana eo amin'ny olom-pirenena sy ny andrim-panjakana, sady miantoka fa ny fotodrafitr’asa rehetra haorina sy hajariana dia tanterahina ho an'ny tombontsoa iombonana, amin'ny fomba mangarahara sy ara-drariny.
5- ADIRESY SY FIFANDRAISANA
Bâtiment des Travaux Publics - Anjahana Antananarivo 101
Finday : 034 66 413 22 ; 034 68 217 36 ; 038 95 963 80
Mailaka : mtp.btdlc.dir@gmail.com ; mtp.btdlc.doleances@gmail.com ; mtp.btdlc.lcc@gmail.com
Pejy : btdlc