Ny momba ny kolikoly

I.     FAMARITANA

Ny kolikoly dia fihetsika tsy ara-drariny izay miseho amin'ny endrika maro, toy ny fanomezana tsolotra, fanodinkodinana volam-bahoaka, fanaovana hosoka amin'ny fifanarahana, ny fanararaotana fahefana ho an'ny tombontsoa manokana sy ny sisa.

Araka ny fifanarahan’ny firaisam-be Afrikana, ny kolikoly dia fangatahana na fanekena, amin’ny fomba mivantana na ankolaka, ataon’ny mpiasam-panjakana na olona hafa, vola na tombontsoa hafa toy ny fanomezana na tombontsoa na fampanantenana ho an’ny tenany na ho an’olon-kafa na vondrona, ho takalon’ny fanatanterahany na tsia asa iray mifanandrify amin’ny andraikiny.

II.     IREO FANDIKAN-DALANA KOLIKOLY 31 VOAFARITRA AO ANATIN’NY LALANA LAHARANA 2016-020 TAMIN’NY 22 AOGOSITRA 2016 MOMBA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY ETO MADAGASIKARA

 

1-   Fanodikondinana vola sy fananam-panjakana 

Fanodikondinana, fandravàna, fanariana na fanesorana fananam-panjakana izay ataon’ireo tompon’andraiki-panjakanabvoatendry na voafidy misahana mivantana ny raharaha mikasika ny teti-bola sy ny fikarakirana volam-panjakana. Misy ny fanodikondinana vola na fananam-panjakan izay mitentina tsy mihoatra ny 20 tapitrisa Ariary ary misy ihany koa ny fanodinkodinana vola na fananam-panjakana mitentim-bidy tsy voarefy sy tsy voasanda ka arakaraky ny habean’ny vola voahodikondina ny hamafin’ny sazy miandry.

2-   Fanodinkodinana fampiasana ny fananam-panjakana 

Fanodinana na fanovana ny fampiasana ny fananam-panjakana izay napetraka hoampiasain’ny olom-panjakana voafidy na voatendry iray.

3-   Fanodinkodinana volam-panjakana amin’ny alalan’ny fampiasana taratasy hosoka 

Fanaovana hosoka mikasika ny fanoratana sora-bola amin’ny teti-bola na fampiasana sonia hosoka ataon’ny tompon’andraiki-panjakana voatendry na voafidy misahana mivantana ny raharaha momba ny teti-bola sy ny fikirakirana volam-panjakana.

4-   Fanodikondinana fananam-panjakana ataon’ny tompon’andraikitra tsy manana zo sy fahefana hanao izany 

Fanodinkodinana, fandravàna, fanariana na fanesorana fananana na volam-panjakana izay ataon’ireo tompon’andraiki-panjakana tsy manana zo na fahefana hano izany mivantana.

5-   Fanodinkodinana fananam-panjakana ataon’ny miaramila na mpitandro filaminana 

Fanodinkodinana na fakàna vola, kojakoja,fitaovam-piadiana, bala, entana na fananam-panjakana samihafa ataon’ny miaramila na mpitandro filaminana.

6-   Fanodinkodinana fananan’olon-tsotra 

Fampihenana,fanodinkodinana,fanimbana na fanafoanana ao anatin’ny seha-pihariana ara-toekarena, ara-bola na ara-barotra, ny ny fananana, ny vola na ny sanda ho an’ny olon-tsotra na sanda ho an’ny orinasa iray ao amin’ny sehatr’asa tsy miankina amin’ny fanjakana.

7-   Fakam-bola tsy ara-dalana 

Fitakiana na fandraisan’ny tompon’andraiki-panjakana sy mpitam-bolam-panjakana vola ho sara, na hetra, na tambin-karama, izay fantany fa tsy tokony haloa na mihoatra ny tokony haloa.

8-   Fanafahana sy famelan-ketra tsy ara-dalana 

Fanomezan’ny olona nametrahana fahefam-panjakana fanafahana sy famelàna tsy ara-dalana handoa vola ho sara, na habam-panjakana, na famoahana maimaim-poana ny vokatra avy amin’ny antokon-draharaham-panjakana.

9-   Fakam-bola tsy ara-dalana ataon’ny mpiraki-draharaham-pitsarana 

Fitakiana na fandraisan’ny mpiraki-draharaha vola ho sara na hetra, na tambin-karama, izay fantany fa tsy tokony haloa, na mihoatra ny tokony haloa.

10-  Fakàna tombotsoa tsy voamarina 

Fitehirizana na fakàn’ny mpiasam-panjakana na tompon’andraiki-panjakana voatendry na voafidy, tombotsoa manokana ao amin’ny orinasa iandraiketany na niandraiketany asa fanaraha-maso, na fitantanana, na famarana-trosa ara-pitsarana ao anatin’ny roa taona nitsaharany tamin’izany asa izany.

11-  Fanaovana asa voarara 

Fisahanan’ny mpiasam-panjakana na tompon’andraiki-panjakana, andraikitra eo anivon’ny orinasa tsy miankina iray, izay nanaovany asa fisafoana na fanaraha-maso mivantana, ao anatin’ny fialan-tsasatrany na ao anatin’ny telo taona nitsaharany tamin’izany asa fisafoana na fanaraha-maso izany.

12-  Fanomezana tombondahiny tsy ara-drariny 

Fanomezana na fikasana hanome tombotsoa tsy voamarina na mifanohitra amin’ny lalàna sy ny fitsipika miaro ny fitovian-jo amin’ny fifaninana eo amin’ny tsenan’asam-panjakana, ny famindrana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, amin’ny fidirana eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana ary eo amin’ny fanjifana ny asa eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra.

13-  Varotra tsy mifanaraka amin’ny asa sy andraikitra 

Fanaovan’ireo tompon’andraikitra mifehy ny herim-panjakana sivily na miaramila, asam-barotra anatin’ny faritra iadidiany, toy ny entana ilain’ny olona amin’ny andavanandro, na divay na zava-pisotro, ankoatra ireo izay avy amin’ny fananany manokana.

14-  Kolikoly mandray 

Fitakiana na fangatahana na fandraisana na fankatoavana fanomezana na tombontsoa tsy ara-dalana ataon’ny mpiasa na tompon-andraiki-panjakana voatendry na voafidy mba hanatontosana na tsia asa mifanandrify amin’ny andraikitra sahaniny.

15-  Kolikoly manome 

Fanomezana na fampanantenana tolotra na tombontsoa tsy ara-dalana ataon’ny olona amin’ny tompon’andraiki-panjakana voatendry na voafidy mba hanatontosan’ity farany na tsia asa mifanandrify amin’ny andraikitra sahaniny.

16-  Kolikoly manome atao amin’ny tompon’andraiki-panjakana vahiny na mpiasa eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena 

Fanomezana na fampanantenana tolotra na tombontsoa tsy ara-dalana ataon’ny olona amin’ny tompon’andraiki-panjakana miasa ho an’ny firenena vahiny na mpiasa eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena mba hanatontosan’ireto farany na tsia ny asa izay tokony hataony amin’ny andraikitra ofisialy, mba hahazoana tombontsoa manokana.

17-  Kolikoly ataon’ny mpitantana, tompona petra-bola, mpiasa anivon’ny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo olona manao asa mahaleo tena 

Fangatahana na fandraisana na fankatoavana fampanantenana tolotra na fanomezana tombontsoa tsy ara-dalana ataon’ny mpitantana, tompona petra-bola, mpiasa anivon’ny orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo olona manao asa mahaleo tena mba hanatontosana na tsia asa mifanandrify amin’ny andraikitra sahaniny.

18-  Fanararaotana fahafantarana olona 

Fangatahana na fampanantenana, tombontsoa ataon’ny olona iray manararaotra ny toerana tazoniny eo amin’ny fiaraha-monina mba hahazoany tombontsoa manokana amin’ny alalan’ny fampiasana izany toerana izany hanindrina na hanangolena manam-pahefana na tompon’andraiki-panjakana iray.

19-  Fananararaotana amin’ny fisahanana asa 

Fanararaotana ataon’ny mpiasa, tompon’andraiki-panjakana voatendry na voafidy, araka ny asa sahaniny na toerana misy azy, hanaovana asa mifanohitra amin’ny lalana amam-pitsipika mba hahazoan’ny tenany na olon-kafa, na vondrona, tombontsoa tsy tokony ho azo.

20-  Fananararaotana amin’ny fisahanana asa nohon’ny tsy fampiharana ny fepetra momban’ny ady amin’ny kolikoly 

Fanararaotana ataon’ny mpiasa na tompon’andraiki-panjakana izay voatendry hampihatra ireo fepetra voalazan’ny lalana amam-pitsipika entina miady amin’ny kolikoly isan-tsehatra ka tsy manatanteraka izany.

21-  Fanararaotana fisahanana asa noho ny tsy famerenana ny fitaovam-panjakana 

Fanararaotana ataon’ny mpiasa na tompon’andraiki-panjakana voatendry na voafidy efa nitsahatra na natsahatra tamin’ny andraikitra na ny asany fa mbola mitahiry ireo fitaovana nankinina taminy noho izay andraikitra na asany izany.

22-  Fifanolanan’ny tombontsoa manokana amin’ny asa sahanina 

Ny tsy fisitahana amin’ny fikarakarana asam-panjakana misy fifanolanan’ny tombontsoa manokana amin’ny asa sy ny tsy fanambaran’ny mpiasam-panjakana na tompon’andraiki-panjakana voatendry na voafidy, mialoha, amin’ny ambaratongam-pahefana misy azy, ny fisian’ny fifanolanana mahakasika ny tombontsoa manokana izay mifanitsaka amin’ny tombontsoan’ny daholobe ka mety hisy fiantraikany amin’ny fanatanterahana ny asany.

23-  Fanomezana tsy ara-dalana 

 Ny faneken’ny mpiasam-panjakana na tompon’andraiki-panjakana voatendry na voafidy, fanomezana tombontsoa tsy tokony ho azony ka mety mampisy na hampisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra mifandraika amin’ny asany.

24-  Fahazoana harena tsy ara-dalana 

Tsy fahafahan’ny mpiasam-panjakana na tompon’andraiki-panjakana voatendry na voafidy, manamarina amin’ny fomba ara-dalana ny fitomboana mahoampampana ny fananany raha oharina amin’ny fidiram-bolany. Hiharan’ny lalana ihany koa ny mpitantana na mpitazona na koa izay olona manana andraikitra.

25-  Tsy fanaovana fanambaram-pananana 

Tsy fanaovan’ireo tompon’andraiki-panjakana votendry na voafidy, izay voatondron’ny lalana hanao izany, aorian’ny roa volana nandefasan’ny BIANCO fampahatsiahivana ny fanambaram-pananana izay tokony hataony na fanaovana fanambarana tsy feno na diso.

26-  Fanaovana fitorohana tsy mitombina 

Fanaovana fitorohana amin’ny tranga izay tsy nisy na tranga izay efa fantatra mazava fa tsy endrika fandikan-dalana kolikoly na koa tranga efa fantatra mazava fa tsy ilay tondroina no nanao izany.

27-  Ireo valibontana na antsonjay atao amin’ny vavolombelona, mpitory, mpiasam-panjakana miandraikitra ny fampiharana ny lalana amin’ny ady amin’ny kolikoly 

Fanaovana valibontana na antsonjay na teritery amin’ireo olona nijoro ho vavolombelona, na mpitory trangana kolikoly, na ireo manam-pahaizana manokana na mpiasam-panjakana miandraikitra ny fampiharana ny lalana amin’ny ady amin’ny kolikoly.

28-  Ny amin’ny famoahana tsiambarantelo mombamomba ny vavolombelona tsy mitonona anarana 

Famoahana ny mombamomba na adiresin’ireo vavolombelona misitraka ny fepetra fiarovana ny vavolombelona tsy mitonona anarana izay voalazan’ny lalana.

29-  Ny amin’ny fanararaotana ny fananan’orinasa tsy miankina 

Ireo mpitantana sy mpiasa anivon’ny orinasa tsy miankina rehetra izay mampiasa ankaratsim-panahy ny fananan’ny orinasa ho amin’ny antony mifanohitra tanteraka amin’ny tombontsoan’izany orinasa izany.

30-  Ny sakantsakana atao amin’ny fahefan’ny Birao 

Ireo fandavana sy sakantsakana atao amin’ny fahefam-panadihadian’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO araky ny lalàna na ny fanaovana sy fampiasana hosoka amin’ny taratasy ampiarahina amin’ny antontan-taratasin’ady.

31-  Ny famborahana ny tsiambaratelo 

Ny famborahana manontolo na amin’ny ampahany ny tsiambaratelo ny fampandehanana asa sy ny fanadihadian’ny Birao. Azo enjehina avokoa  na ireo olon-tsotra izay manao izany famborahana tsiambaratelo izany.

Amin'ny sehatry ny Asa Vaventy, karazana endrika kolikoly maro no mety hita dia ny fanodinkodinam-bola amin'ny tetik’asa ara-infrastriktiora, ny fanaovana tsindry amin'ny fifanarahana amin'ny tsena-baro-panjakana, ny fangatahana vola ho an'ny tetikasa tsy misy mangarahara.