ANTANANARIVO - ANTSIRABE RN7

08/04/2025
Photo RN7

Mitohy hatrany ireo asa fanamboarana amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7) mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Mizara roa lehibe ny asa :

✅Misy ny « entretien périodique » vatsian’ny banky iraisampirenena vola avy amin’ny tetikasa PDDR amin’ireto teboka halaviran-dalana manaraka ireto, ka ny orinasa ZHONGLEI ENGINEERING GROUP LTD no manatanteraka ny asa :

🚧PK11+ 500 – PK 72+ 000 ao amin’ny kaominina Behenjy- Andriambilany- Ambatolampy

🚧PK 94+550 au PK 109+800 sy PK 122+200 au PK 145 ary PK 159+000 au PK 165+000 ao amin’ny kaominina Ampitatafika, Antanifotsy, Antsoatany, Andranomaneletra ary Antsirabe

✅Misy koa ny asa fanatsarana ny ampahan-dalana vatsian’ny Tahirim-bolan’ny lalana « FR » vola eo amin’ny :

🚧PK 72+ 000 – PK94+000 sy ny PK110 + 000 – PK 122+ 000 ao amin’ny Kaominina Ambatolampy sy Ambohimandroso ary Antanifotsy : hiverina hanohy ny asa fanamboarana ny sosona fototra « couche de base » amin’ity herinandro ity ny orinasa SITEX BTP.

Mandeha tsara araka ny tokony ho izy koa ny fanokafana lalan-drano.

Nijery akaiky ireo fizotry ny asa ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Vakinakaratra ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatr’izay, mitohy ny famokarana eny amin’ireo « concasseur » ary hirosoana tsy ho ela ny fanaovana « planche d’essai »

#MTP #MTPmiasahoanao #RN7 #Antananarivo #Antsirabe #visitedechantier