𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐍𝟔 : 𝐄𝐅𝐀 𝐍𝐀𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀
17/04/2025

Efa manomboka ny asa fanarenana ireo teboka tena ratsy amin’ny lalam-pirenena fahaenina (RN6) eo anelanelan’ Ambondromamy sy Ambanja. Ny hanatsara ny filaminana sy ny fivezivezen’ny fifamoivoizana, indrindra any amin’ireo faritra tena marefo toy ny any Tsarahasina, Anjiamangirina ary Marovantaza no tanjon’ny asa izay tanterahina ao anatin’ny tetikasa PCMCI - CERC, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena.
Nisy fihaonana natao niarahana tamin’ireo manam-pahefana ifotony mba hampahafantarana ny tetikasa sy hangatahana fiaraha-miasa. Ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, miaraka amin’ny Governoran’ny Faritra sy ny Tale-paritry ny Asa Vaventy, no manara-maso akaiky ny fizotry ny asa sy ny fanarahan’ireo orinasa ny fifanarahana.
Mandeha anaty filaminana ireo asa rehetra hatreto, eo ambany fanaraha-mason’ireo teknisianina eny an-toerana.