Asa fanarenana ny RNP7

Miroso ny asa fanarenana sy fanatsarana ny lalam-pirenena faha-7 (RNP7), ao anatin' ny Faritra Vakinankaratra sy Faritra Matsiatra Ambony.
𝘼𝙤 𝙑𝙖𝙠𝙞𝙣𝙖𝙣𝙠𝙖𝙧𝙖𝙩𝙧𝙖
𝑨𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒕𝒊𝒌𝒂𝒔𝒂 𝑷𝑫𝑫𝑹:
Lot 03A Antananarivo-Ambatolampy
vita ny scarification eo anelanelan’ny PK55 hatramin’ny PK58,
efa miroso amin’ny fanapariahana couche de roulement ny eo amin’ny PK58–66.
fametrahana couche de base kosa no atao eo amin’ny PK66–72
Ho an’ny Lot 03B, Ampitatafika-Antsirabe
manohy amin’ny fametrahana couche de base ny dingana voalohany eo Ampitatafika,
manatanteraka asa fanadiovana sy fanamafisana ny fotodrafitr'asa fanondrahana rano kosa ny eo Antsirabe.
𝑨𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒂𝒕𝒔𝒊𝒂𝒎-𝒃𝒐𝒍𝒂𝒏' 𝒏𝒚 𝑭𝒐𝒏𝒅𝒔 𝑹𝒐𝒖𝒕𝒊𝒆𝒓 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒌𝒐𝒔𝒂,
mandeha ny asa scarification sy fanamboaran-rafitra eo anelanelan’ny PK72–79, ataon'ny orinasa SITEX BTP
efa nanomboka asa ihany koa ny orinasa MAGIC.
𝘼𝙤 𝙃𝙖𝙪𝙩𝙚 𝙈𝙖𝙩𝙨𝙞𝙖𝙩𝙧𝙖
Efa tanteraka amin’ny 60% ny asa fanamboarana lalambe eo anelanelan’ny PK311+000 sy PK360+000, izay tanterahin’ny orinasa EHS.
Voatsirika ara-teknika avokoa ny asa rehetra atao amin’ny alalan'ny LNTPB, hanajana ny fenitra sy ny kalitao hatrany.
Manampy amin'ny fanaraha-maso koa ireo fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy eny an- toerana.
Ny Ministera dia mametraka ny fialantsiny amin'izay mety ho fanelingelenana mandritry ny asa fanamboarana ary miangavy faharetana kely hatrany amintsika mpampiasa lalana rehetra.