AUTOROUTE / LALAMBE MIGODANA

Miroso ny asa amin’ny ankapobeny. Ao anatin’ny fanatanterahana ny ampahany 80km voalohany ny dingana amin’izao.
« Zava-dehibe ny fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra farany teo », hoy ny Minisitrin’ny Asa vaventy 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 𝐓𝐡𝐞́𝐨𝐝𝐨𝐫 , nandritry ny fidinana ifotony nijery ny fandrosoan’ny asa eny amin’ny Autoroute, ny Alakamisy 10 aprily 2025.
Nankatoavina ny hirosoana amin’ny dingana rehetra handoavana ny onitra ho an’ireo olona voakasik’izany mivantana.
Lava ny lalana, hoy ny Minisitra, fa mandeha aloha ny dingana voalohany, ny PKO ka hatreny amin’ny PK3.500, Ambatolampy Tsimahafotsy ka hatreny Ambohimanga Rova.
Toromariky ny Filoham-pirenena 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐑𝐀𝐉𝐎𝐄𝐋𝐈𝐍𝐀 koa, hitsinjovana ny tantsaha mpamboly, dia ireo olona voakasika amin’ny asa fanamboarana lalana mivantana ihany no esorina fa ny amin’ny manamorona kosa dia afaka manao asa fambolena, voly tsy maharitra, fa tsy afaka manao asa fanorenana kosa.
Fomba fiasa napetrakin’ny Minisitra 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 𝐓𝐡𝐞́𝐨𝐝𝐨𝐫𝐞, ny midina ifotony isam-bolana toy izao, manolo-tanana sy mitondra vahaolana ho an’ny Orinasa 𝐒𝐀𝐌𝐂𝐑𝐄𝐓𝐄, raha misy sakantsakana tsy hahafahany manenjika ny tetiandro napetraka.
« Mandroso isika, hoy ny Minisitra, mandroso ny asa ary vonona hifanome tanana amin’ireo herivelona rehetra ny Fitondram-panjakana »
Ny fanapahan-kevitra raisina rehetra dia mitsinjo ny ara-tontolo iainana, ny ara-tsosialy ary ny fiveloman’ny tantsaha, hoy hatrany ny Minisitra.
Marihina moa fa ho tonga eto amintsika tsy ho ela koa ny 𝐁𝐀𝐃𝐄𝐀, hamantatra sy handamina ny tokony hatao rehetra , hanafainganana ny famoaham-bola hamatsiana ny fanamboarana ny tapany 80km faharoa manaraka indray, amin’ity Lalambe Migodana ity.