CERC-PCMCI: FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA SY FANARAHANA NY ASA ENY AN-KIANJA MIARAKA AMIN’NY BANKY IRAISAM-PIRENENA

07/05/2025
Photo

Nanomboka ny 5 Mey 2025, nanao fidinana ifotony miaraka amin’ny ekipan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny tetikasa CERC-PCMCI ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Tsiahivina fa ny asa fanamboarana sy fanarenana ny lalam-pirenena RN4, RN6, RNT31 ary ny seranatsambon’i Mahajanga dia tafiditra ao anatin'ny tetikasa.

Tanjona tamin’izany ny:

- Hijerevana mivantana ny fandrosoan’ny asa.

- Hizarana ireo toromarika ara-teknika amin’ny iraka mpanaramaso.

- Hanaovana fandrindrana sy famindram-pahefana amin’ny fanarahana ny asa

Ho tanterahina androany ao Antsohihy (DRTP Sofia) kosa ny fivoriana ofisialy, iarahan’ireo Orinasa mpanatanteraka ny asa sy ny iraka mpanaramaso.

Aorian'izany, hitohy amin'ny fitsidihana ny asa ao amin'ny Faritra Boeny sy Seranantsambo ao Mahajanga ny fidinana.

#MTP #MTPmiasahoanao #CERCPCMCI #BanqueMondiale