COLLABORATION MTP-JICA

06/03/2025
Photo

Nitondra vokatra lehibe ny fiaraha-miasa teo amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy sy ny JICA, tamin'ny alalan'ny tetikasa F3LTM, izay mifototra amin’ny fahaiza-manao amin'ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara. Tontosa androany tao amin'ny Carlton Anosy ny fivoriana faran’ny Komity mpandrindra ny tetikasa, notarihin'ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, Atoa SAMBISOLO Emile Joseph, notronin'ny Solontena maharitry ny JICA eto Madagasikara ,Rtoa TANAKA Kaori , ireo tomponandraikitra rehetra anatin'ny tetikasa eto amin'ny Minisitera ary ireo mpikambana ao amin'ny JICA eto Madagasikara sy any Japon.

Ny volana desambra 2021 no nanomboka ny famolavolana ny tetikasa ary ny taona 2022 no niantombohan ny fanantanterahana azy. Nisy ireo fandaminana sy fitantanana napetraka ka nahavitana namoaka ireo boky torolalana miisa enina momban'ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara. Ankoatran'ny fivoriana maro natao dia nanantanteraka fampiharana sy andrana teny ifotony ireo teknisianina tamin'ny alalan'ny tetikasa "pilote", teny amin'ny RN1 sy RN2 teboka halavirandalana PK6+500- PK8+500 eo Ambohimangakely.

Natolotry ny JICA ho an'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy tamin'ny fomba ofisialy androany ireo boky torolalana sy fitaovana manaraka ny teknolojia ireo. Miditra tanteraka ao anatin'ny fampiharana ny Minisitera ankehitriny ka haparitaka any amin'ireo Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) miisa 23 ireo boky torolalana sy fitaovana ireo. Misy ihany koa ny fampiofanana mikasika izany, iandreketan'ny ININFRA, mba hampitombo ny traikefan'ireo injeniera sy teknisianina eto amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Naneho fisaorana lehibe ny JICA ny Sekretera Jeneraly tamin'ny fanohanana nataon'izy ireo mba ho fampandrosoana ny fahaiza-mitantana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara.

---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x---x

La collaboration entre le Ministère des Travaux Publics (MTP) et la JICA, à travers le projet F3LTM, s'est aboutie à des résultats significatifs. Le projet a été axé sur le renforcement des compétences en matière d'entretien des routes et des ponts à Madagascar. La réunion finale du comité conjointe de coordination du projet s'est tenue aujourd'hui au Carlton d'Anosy, présidée par le Secrétaire Général du Ministère des Travaux Publics, M. SAMBISOLO Emile Joseph, en présence de la représentante de la JICA à Madagascar, Mme TANAKA Kaori, des responsables du projet au sein du MTP et des représentants de la JICA, tant à Madagascar qu’au Japon.

La conception du projet a débuté en décembre 2021, avant sa mise en œuvre en 2022. Des mesures d'organisation et de gestion ont été mises en place, permettant la production de six manuels sur la maintenance des routes et des ponts à Madagascar. Plusieurs réunions ont été organisées, et des essais pratiques ont été réalisés sur terrain par des techniciens, dans le cadre d’un projet pilote sur la RN1 et la RN2, entre les points kilométriques PK6+500 et PK8+500 à Ambohimangakely.

Aujourd'hui, la JICA a officiellement remis au MTP les manuels et les équipements basés sur la technologie la plus récente. Ces manuels et équipements seront pleinement intégrés dans les activités du Ministère, lequel va les distribuer à travers les 23 Directions Régionales des Travaux Publics (DRTP). Des formations seront également mises en place sous la responsabilité de l'ININFRA afin de renforcer l'expérience des ingénieurs et techniciens du Ministère. Le Secrétaire Général a exprimé sa profonde gratitude envers la JICA pour son soutien, contribuant ainsi au développement des compétences en matière de gestion de l'entretien des routes et des ponts à Madagascar.

#MTP #JICA #F3LTM #reunionfinale #CCC