DIGUE KIEMBE RN7 : MADIVA HIFARANA NY ASA FANAMBOARANA

Madiva hifarana ny asa fanamboarana ny "Digue Kiembe", làlana amoron-dranomasina mirefy 5 Km, mampifandray ny seranam-piaramanidina amin'ny seranan-tsambo ary ny tanànan'ny Toliara , amin'ny làlam-pirenena fahafito ( RN7). Nofaranana tamin'ny fitsidihina ity asa fanamboarana ity androany ny dian'ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore, ny ekipan'ny " Agence routière" ary ny ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Atsimo Andrefana.
Tafiakatra hatramin'ny 70% ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ankehitriny, mizara ampahany roa :
- Asa fanamboarana ny "digue Kiembe" eo amin'ny teboka halaviran-dàlana PK 0+000 - PK2+400
- Asa fampifandraisana ny " Digue Kiembe" amin'ny RN7 eo amin'ny PK 2+400 - PK 4+927.
Ny Banky Eropeanina ho an'ny Fampiasam-bola ( BEI) no mamatsy vola ny tetikasa ary ny orinasa CCOD no manantanteraka ny asa.
Maro ny tombotsoa azo rehefa vita ny asa fanamboarana toy ny fanomezana endrika tsara ny tanàna ao Toliara sy fampihenana ny fitohanana lavareny. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy ary ny fampifandraisana ireo Distrika sy tanàna maro ao Toliara.
Nanamafy ny Minisitra tomponandraikitra fa mitana ny teny nomeny ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA raha niresaka manokana ny fampandrosoana ho an'ny Faritra Atsimon'ny Nosy. Hita amin'ny asa mivaingana izany. Ankoatr'izay, efa hita ny fanarenana tokony hatao na ny eo anelanelan’i Fianarantsoa sy Antananarivo na ny makany Toliara indrindra fa ny manodidina an’i Sakaraha sy Andranovory. Laharam-pahamehana ihany koa ny fampandehanana ireo " station de pesage" manerana an’i Madagasikara.
#MTP #MTPmiasahoanao #visitedechantier #DigueKiembe #Toliara #RN