FAHA-65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : NOSOKAFANA ANDROANY NY LANONAM-PANKALAZANA

02/06/2025
FAHA-65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA : NOSOKAFANA ANDROANY NY LANONAM-PANKALAZANA

Hafatra feno fitiavana no nozarain’ny Filohan’ny Repoblika 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐑𝐀𝐉𝐎𝐄𝐋𝐈𝐍𝐀 tamin’ny lahateniny nandritra ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana, androany, teo anoloan’ny 𝐋𝐚𝐩𝐚𝐧 𝐧𝐲 𝐓𝐚𝐧𝐚̀𝐧𝐚𝐧'𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐑𝐞𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐤𝐞𝐥𝐲.

Nanentana ny 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 rehetra hanangana sy hanofahofa ny 🇲🇬sainam-pirenena🇲🇬, ihany koa izy, ho fanamarihana izany.

Tonga nanotrona, nanome voninahitra izao lanonam-panokafana izao ny Minisitry ny Asa Vaventy, Andriamatoa 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 𝐓𝐡𝐞́𝐨𝐝𝐨𝐫𝐞, sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Minisitera, niaraka tamin'ireo rantsamangaikany.

Mandritry ny iray volana ny fankalazana, hitohy hatramin’ny 𝟎𝟐 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟓.

Hiavaka amin’ny mahazatra isan-taona no hisy.

Maro ny hetsika hotanterahana manerana ny Nosy.