FANARAHAMASO NY ASA FANAMBOARANA NY LALAM-PIRENENA FAHAFITO (RN7) AO AMIN’NY FARITRA VAKINANKARATRA

21/05/2025
Photo

Asa fanavaozana goavana no tanterahina amin’izao fotoana izao amin’ny Lalam-pirenena fahafito (RNP7) eo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe, ka orinasa telo no miara-miasa amin’izany, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola roa samihafa. Ny orinasa ZONGHMEI no manatanteraka ny asa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa PDDR. Amin’ny ampahany eo anelanelan’Antananarivo sy Ambatolampy, dia mitohy ny asa fanadiovana (scarification) sy fametrahana ny sosona fototra, ary tanjona ny handrakotra tara 14 km alohan’ny faran’ny volana jona, ary anisan’izany ny lalana mamakivaky ny tanànan’Ambatolampy. Mitovy amin’izany koa ny fandrosoan’ny asa eo anelanelan’Ampitatafika sy Antsirabe, izay mikendry ny handrakofana tara ny 10 km , ka tafiditra amin’izany ny lalana miditra sy mamakivaky ny tanànan’Antsirabe.

Etsy ankilany, ny Fonds Routier no mamatsy vola ireo asa ivelan’ny tetikasa PDDR, izay tanterahin’ny orinasa SITEX BTP sy MAGIC SA. Ireo asa ireo dia mikasika ny làlana mampitohy an’Ambatolampy sy Ihazolava, Andranokobaka sy Andranomanelatra, ary Mandaniresaka sy Antalaviana. Efa tonga eny an-toerana avokoa ny fitaovana ilaina, efa mandeha tanteraka ny asa, ary efa misy faritra miroso amin’ny fandrarahana tara. Nitsidika an’ireo toerana nanaovana asa ireo androany ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore, notronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambatolampy sy ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra. Nomena toromarika mazava ireo tompon’andraikitra eny an-toerana mba hanatsarana sy hanafainganana ny fandrosoan’ny asa.

Marihina fa tsy mijanona hatreo Antsirabe ihany ny fanamboarana ny RN7, fa mitohy hatrany amin’ny faritra atsimo. Araka ny baikon’ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry RAJOELINA, dia efa natomboka tamin’ity herinandro ity ny fifaninanana amin’ny fangataham-bidy ho an’ny asa fanarenana eo anelanelan’i Sakaraha sy Toliara.

#MTP #MTPmiasahoanao #DRTPVakinankaratra #RN7 #Antsirabe #Ambatolampy