FANARENANA NY RN7: HANOMBOKA NY FANDRARAHANA TARA EO ANELANELAN’ AMBATOLAMPY SY IHAZOLAVA

02/05/2025
Photo

Ao anatin’ny tetik'asa fanarenana ireo lalam-pirenena, hanomboka amin’io herinandro ambony io ny fandrakofana tara amin’ny ampahan-dalana mirefy 1,3 km eo anelanelan’ny PK72 eo Ambatolampy sy PK78 eo Ihazolava, ao amin’iny lalam-pirenena fahafito (RN7) mampitohy an’Antananarivo sy Toliara.

Ity asa ity dia tohanan’ny Tahirim-bola ho an'ny Lalana.

Efa mandeha ankehitriny ny dingana fiomanana. Anisan’izany ny fametrahana ny sosona fototra hanamafisana ny lalana.

Andrasana ho tonga alohan’ny faran’ity herinandro ity koa ireo fitaovana mavesatra hanatanterahana ny fandrarahana tara, toy ny compacteur double bille, ny compacteur pneumatique, ny épandeuse ary ny finisseur.

Dingana manan-danja amin’ny fanatsarana ny fifamoivoizana amin’ity lalam-pirenena lehibe ity no ho tanterahina amin’izany.

#MTP #MTPmiasahoanao #DRTPValinankaratra #RN7 #Ambatolampy #Ihazolava