FANDRAISANA VONJIMAIKA NY TETEZANA ANDRIAMOTY : FOTODRAFITRASA MANAN-DANJA MAMPITOHY KAOMININA AMBANIVOHITRA TELO

Notanterahina omaly 26 Mey 2025 ny fandraisana vonjimaika ny asa fanarenana ho “béton armé” ny tetezana Andriamoty, eo amin’ny PK 1+200 ao amin’ny RR AMM.6 izay vatsian’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR). Mampitohy ny kaominina ambanivohitra Sandrandahy, Ambohiperivoana ary Ilaka Centre, ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ity tetezana ity izay mirefy 80 metatra ny halavany ary 3,50 metatra ny sakany. Nitarika ny fandraisana ireo solontenam-panjakana avy amin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, niaraka tamin’ireo manampahefana sy teknisianina avy amin’ny sehatra rehetra voakasika.
Naneho fankasitrahana ireo rehetra tonga teny an-toerana noho ny fahavitan’ny asa sy ny kalitaon’ny fotodrafitrasa, izay tena ilaina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eny an-toerana. Vonona hatrany ny MTP hamaly ireo filànan’ny vahoaka amin’ny fanarenana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa manerana ny faritra.