FANKASITRAHANA MANERAN-TANY HO AN’NY LNTPB AMIN’NY SEHATRY NY KALITAO

Nahazo ny "Quality Choice Prize 2025 – Sokajy Diamond" ny Laboratoara Nasionalin’ny Asa Vaventy sy ny Taotrano(LNTPB) nandritra ny lanonana nataon’ny European Society for Quality Research (ESQR), tamin’ny 29 mey 2025 tany Stockholm. Natokana ho an’ireo fikambanana maneran-tany izay manatanteraka fomba fiasa manara-penitra sy mahomby eo amin’ny fitantanana ny kalitao ity mari-pankasitrahana ity. Anisan’ireo voafantina tamin’ny firenena 49 nandray anjara ny LNTPB, ary izy irery no laboratoara jeôteknika nahazo izany mari-pankasitrahana izany.
Niorina tamin’ny taona 1954 ny LNTPB, izay rantsamangaikan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Manam-pahaizana manokana amin’ny fikarohana sy fanaraha-maso ara-jeôteknika amin’ny sehatra maro toy ny:
- Fanamboaran-dalana sy trano
- Asa eny amin’ny seranam-piaramanidina
- Seranan-tsambo
- Ary asa fanajariana ny tany ho an’ny fambolena.
Nanomboka tamin’ny taona 2014 dia nahazo mari-pankatoavana ISO 9001 ho an’ny rafitra fitantanana kalitao ny laboratoara. Ity marika vaovao azony ity dia manamarina indray ny ezaka mitohy ataon’ny LNTPB ho amin’ny fanatsarana sy fanajana ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny asany, ary maneho ihany koa ny tanjon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy hampiroborobo ny kalitao sy ny fahaiza-manao eo anivon’ireo rafitra teknika miankina aminy.