Fanomanana ny Convoi exceptionnel
12/09/2025

Nidina ifotony teny amin'ny Lalam-pirenena faha-2, androany, ny Minisitra RAFIDISON Richard Théodore sy ireo Teknisianin' Ministeran' ny Asa Vaventy miara-dia aminy, nijery ireo asa fanamboaran-dalana sy ireo Tetezana 13 efa vita fanamafisana.
Tafiditra ao anatin' ny fanomanana ny "Convoi exceptionnel" hitaterana ireo fitaovana lehibe avy any Toamasina hoentina ety amin' ny tobim-pamokarana herinaratra Ambohimanambola Antananarivo izany.
Nanamafy ny Minisitra fa efa voamarina fa hahazaka ny lanja voalaza ireo tetezana ireo, ka afaka handalovana tsara.
Afaka herinandro no hanomboka ny fitaterana andiany voalohany.