FANOMANANA NY FIVORIAM-BEN’NY COI

18 andro mialohan'ny handraisantsika ny fivoriam-be fahadimin'ny Kaomisionan'ny Ranomasim-be Indiana, vonona amin'ny ankapobeny ny Renivohitr'i Madagasikara hampiantrano izany.Fanadiovana, fanatsarana, fanarenana, indrindra fa fanamboarana ampahan-dalana maro: misongadina ireo.Matipaika ny fandrindran'asa, ifandrombonan'ny rehetra, hahatratrarana ny tanjona.
Androany, 𝐚𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 𝟎𝟔 𝐚𝐯𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟓, niaraka nidina ifotony, nijery ny fandrosoan'ny asa ny avy amin'ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐀𝐬𝐚 𝐕𝐚𝐯𝐞𝐧𝐭𝐲 notarihin'ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 𝐓𝐡𝐞́𝐨𝐝𝐨𝐫𝐞, ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐡𝐢𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐑𝐀𝐒𝐀𝐓𝐀 𝐑𝐚𝐟𝐚𝐫𝐚𝐯𝐚𝐯𝐢𝐭𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚, ary ny 𝐁𝐞𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧'𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐇𝐚𝐫𝐢𝐥𝐚𝐥𝐚 sy ny ekipany.
Niara-nizotra niakatra teny Andohalo: nijery ireo lalana efa vita, nitsidika ny lapan'Andafiavaratra izay eo am-panarenana, sy ny teny amin'ny Rovan'i Madagasikara.Nitohy tamin'ny fijerena ireo ampahan-dalana maro nasiam-panamboarana eto Antananarivo Renivohitra izany.