FIATREHANA NY RIVODOZA SY NY ORANA : TONGA IREO TETEZANA VY HO FAMONJENA HAINGANA

30/05/2025
FIATREHANA NY RIVODOZA SY NY ORANA : TONGA IREO TETEZANA VY HO FAMONJENA HAINGANA

Matetika miatrika fahasimbana lehibe noho ny rivodoza sy ny orambe ny lalana sy tetezana eto Madagasikara . Ho fiatrehana haingana sy mahomby ireo loza voajanahary ireo, dia nanamafy ny fahaiza-manaon'ny Ministeran'ny Asa Vaventy ny fanofanana manokana momba ny fananganana tetezana vy na “pont modulaire” karazana Wagner, avy any Aotrisy, izay notanterahina androany tao Toamasina. Nanatrika izany fanofanana izany ny Minisitra Atoa RAFIDISON Richard Theodore, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa sy ny manam-pahefana eo an-toerana.

Nohamafisin’ny Minisitra ny vina mazava tarihin’ny fitondram-panjakana eo ambany fitarihan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, izay mifantoka amin’ny fiomanana mialoha hiatrehana ny toetrandro sy ny fiarovana ny vahoaka. Vokatry ny fanohanana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny tetikasa PCMCI, dia efa nahazo tetezana metaly mirefy 1 100 metatra ny fanjakana, ary efa mihoatra ny 300 metatra amin’ireo no efa tonga. Hozaraina manerana ny renivohim-paritra eto amin’ny Nosy ireo fitaovana ireo , mba ho fitaovana vonjy maika hanarenana haingana ireo tetezana simba amin’ny tranga maika.

Anisan’ny ezaka lehibe amin’ny fiarovana sy fanamafisana ny tambajotran-dalana, izay miantoka ny fampitohizana ny asa sy ny fiainam-bahoaka na dia amin’ny fotoana sarotra indrindra aza ity tetikasa ity.