FIHAONANA TEO AMIN’NY MINISTRY NY ASA VAVENTY SY IREO OLOM-BOAFIDY AVY AMIN ‘NY FARITRA ATSINANANA

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Theodore, amin’ny maha-minisitra mpiahy ny faritra azy, ireo Ben’ny tanàna sy Solombavambahoaka avy amin’ny faritra Atsinanana.
Nandritra izany no niarahaban' ny Minisitra ireo Ben’ny tanàna vao lany, ho mariky ny fanohanany sy ny firarian-tsoa amin’ny andraikitra lehibe miandry azy ireo.
Nisy ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny vinavina ho an’ny fampandrosoana ny faritra, indrindra amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa sy ny asa fanamboaran-dalana, izay zava-dehibe amin’ny fanokafana ny Faritra sy ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina.
Nambaran’ny Minisitra fa vonona ny hanohana akaiky ireo kaominina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fototra entina mampandroso maharitra ny faritra Atsinanana ny tenany.