FLYING WHALES: VOKATRY NY FIARAHA-MIASA HO AN’NY FITATERANA MAHARITRA

Tonga nanatrika ny lanonana fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro ary ny orinasa Flying Whales Service ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Theodore, sy ireo Minisitra hafa mpikamban'ny Governemanta, androany.
Tafiditra ao anatin'ny fanamarihana manokana ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filoha Frantsay Emmanuel MACRON, farany teo, izany.
Mikendry ny hampidirana fiaramanidina LCA60T afaka mitondra entana hatramin’ny 60 taonina, nefa tsy mitaky fotodrafitr’asa an-tanety ny fifanarahana natao sonia. Hanamora ny fifandraisana sy ny famatsiana ireo faritra lavitra sy saro-dalana eto Madagasikara.
Maneho ny fanohanany sy ny fandraisany anjara amin’ireo tetikasa goavana mikendry ny fanavaozana sy fanatsarana maharitra ny fotodrafitrasa eto Madagasikara ny fanatrehan'ny Minisitry Asa Vaventy ity lanonana fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa ity.
#MTP #MTM #FlyingWhales #ModernisationDesInfrastructures #TransportEtDeveloppement