HERINANDROM-PIRENENA HO AN’NY RANO: NISOKATRA ANDROANY NY FANKALAZANA

16/04/2025
PHOTO

“Omentsika lanja ny tahirin-drano, ho antokin’ny fampandrosoana maharitra”, teny filamatra napetraka, hanamarihana ny herinandron' ny rano eto amintsika izany.

Aina ny rano ary zava-dehibe no hisitrahan'ny Vahoaka Malagasy tsirairay ny rano fisotro madio.

Manome lanja bebe kokoa ny ankizy sy ny vehivavy ary ireo olona marefo ity hetsika ity. Miara-mientana avokoa ny rehetra hanehoana fa sarobidy amin'ny fiainana andavanandro ny rano.

Ny zoma ho avy izao no hanomboka ny asa fanarenana ny foto-drafitr'asan' ny rano eto Antananarivo, raha ny voalaza.

Ho an'ny sehatry ny Asa Vaventy manokana dia anisan'ny akora tena ilaina amin'ny asa fanamboarana ny lalana sy ny tetezana ny rano.

Tonga nanotrona ny lanonam- panokafana ny herinandron' ny rano, androany, tao amin'ny Kianja Barea Mahamasina. ny Minisitry ny Asa Vaventy, 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 𝐓𝐡𝐞́𝐨𝐝𝐨𝐫𝐞.

Minisitra maro mpikamban'ny Governemanta ihany koa sy manam-pahefana isan'ambaratongany no nanome voninahitra ity hetsika ity.

Ny Minisiteran'ny Rano sy ny Fahadiovana ary Fidiovana no tompo- marika amin'ny fikarakarana rehetra.

#MTP #MEAH #SemaineNationaledeleau