HETSIKA FANOHANANA SY FAMPIRISIHINA NY VEHIVAVY AMIN'NY SEHATRY NY ASA LALANA

12/03/2025
Photo

Mbola maromaro ny sakana tsy ahafahana mampiaty ny vehivavy amin'ny sehatry ny asa lalana. Izany indrindra no mahatonga ny tetikasa PACT, PDDR sy PCMCI , izay tetikasa ao amin'ny "Agence routière" vatsian'ny Banky iraisampirenena vola,  Ary ratsamangaika eto anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, vonona  hanohana sy hampirisika ny vehivavy amin'izany sehatry izany. Notanterahina androany tao amin'ny "Radisson Blu" Ambodivona ny hetsika fanokafana sy fanentanana nasionaly momba ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ny sehatry ny lalana. Nanatrika izany ireo tomponandraikitra avy amin'ny Minisitera sy ny tetikasa ary indrindra ireo vehivavy maro misehatra amin'ny asa Vaventy.

Efa nisy ny fanadihadiana natao mikasika izany tany amin'ny Faritra miisa 12 eto Madagasikara izay misy ny tetikasa ary nahazoana vokatra entina hanampina ny vehivavy amin'ny sehatry ny asa Vaventy. Singa telo no ampiharina ao aorian'ity hetsika ity ka hasongadina indrindra anatin'izay ny fandraisana andraikitra amin'ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy indrindra ao anatin'ny sehatry ny lalana.

Tanjon'ny tetikasa ny fanofanana sy fampivelarana ny fiaraha-miasa ary  ny fanomezana paikady matihanina ho an'ny vehivavy sy ny tanora amin'ny sehatry ny asa Vaventy; fanamorana sy fanohanana  ny vehivavy handray ireo toerana ambony amin'ny sehatry ny lalana ary fampandrosoana sy fampiharana ny drafitry ny fifandraisana mampiroborobo ny fanatanterahana ny hetsika rehetra.

#MTP #PACT #PDDR #PCMCI #sensibilisation #Femmesecteurroutier