KAOMININA ANDRENIVOHITR’I FIANARANTSOA: VITA NY ASA FIKOJAKOJANA NY LALANA, NORAISINA VONJIMAIKA!

Noraisina vonjimaika ny 25 avrily 2025 teo ny asa fikojakojana ireo lalana ao amin’ny tanànan’i Fianarantsoa. Nanatrika izany ireo solontenan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, ny Kaominina Andrenivohitra Fianarantsoa ary ny Tahirim-bolan’ny Lalana, izay niantoka ny famatsiana ny tetikasa. Natao tamin’izany ny fanokafana ny tetezana Antamponjina sy ny fitsidihana ny lalana nokojakojaina manomboka eo amin’ny Jovena Tsaramandroso hatrany amin’ny St Joseph Andohanatady.
Natao ireo asa ireo taorian’ny fahasimban’ny tetezana Antamponjina sy ny faharatsian’ny lalana vokatry ny tondradrano sy ny fivangongoan’ny fako tao amin’ireo rafitra fanariana rano. Anisan’ny asa tanterahina ny fanarenana sy fanitarana ny tetezana, ny fananganana dalot vaovao, ary ny fanamafisana ny sisin-dalana amin'ny « béton armé ». Etsy ankilany, nohatsaraina ihany koa ny lalan’i Tsaramandroso sy Antady tamin'ny alalan'ny fanamboarana « chaussée bétonnée » sy lakandrano vaovao ho fanatsarana ny fandehanan’ny rano.
#MTP #MTPmiasahoanao #Fianarantsoa #DRTPHautrMatsiatra #FondsRoutier