Lalambe migodana

05/12/2025
Lalambe migodana

[05 𝑑𝑒𝑠𝑎𝑚𝑏𝑟𝑎 2025]

 

*      Tohizana ny asa efa natomboka, hatreo amin'ny PK80.

 

*      Ezahana ny tsy hisian'ny tanimbary voakitika intsony.

 

*      Hitohy ny fandoavana ny onitra ho an' ireo mponina manodidina voakasiky ny fanamboarana.

 

Nasongadin' ny Minisitry ny Asa Vaventy RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob ireo, nandritra ny fidinana ifotony teny amin' ny lalambe migodana, androany.

 

Ity no fitsidihana voalohany, hatramin'ny nitantanany ny Minisitera.

Fitsidihana izay:

 

*      nijerena ny mamparary ny vahoaka, mba hitondrana vahaolana avy hatrany.

 

*      nanomezana toromarika ihany koa ny Orinasa mpanatanteraka, hiara-hifampidinika hatrany amin'ireo Teknisianin' ny Minisitera amin'ny fanatanterahana ny asa.

 

*      Tsy maintsy arovana ny asa rehetra efa vita, hoy ihany ny Minisitra, mba hisorohana ny mety ho fahapotehana, indrindra amin' izao fiatrehana ny fotoanan' ny orana izao.

 

 

#MTP #miasaHoAnao #lalambeMigodana