𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌𝐁𝐄 𝐌𝐈𝐆𝐎𝐃𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎 - 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐃𝐈𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐑𝐎𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐃𝐄𝐀

19/04/2025
𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌𝐁𝐄 𝐌𝐈𝐆𝐎𝐃𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎 - 𝐓𝐎𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀
Ao anatin’ny fanomanana ny famatsiam-bola amin’ny dingana faharoan’ny tetikasa fanamboarana ny Lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, tonga eto Madagasikara, nanomboka ny 15 aprily 2025 teo, ny delegasiona avy amin’ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana Ara-toekarena eto Afrika (BADEA), tarihin’Atoa Abdelakbir OUMALI, Lehiben’ny Sampana misahana ny Asa Vaventy ho an’i Afrika Andrefana sy Afrika Afovoany.
Tanjon’ny iraka ny hanao fanadihadiana lalina mikasika ny fanomanana sy ny fepetra ara-teknika,ara-tsosialy, ara-tontolo iainana ary ara-bola, ilaina amin’ny famatsiam-bola amin’ity foto-drafitr'asa goavana ity.
Hojerena koa ny fandrosoan'ny asa.
Ao anatin'ny fandaharam-potoana mandritra ny herinandro :
💥ny nihaonan'izy ireo tamin’ny Minisitry ny Asa Vaventy, tamin’ny alalan’ny fitsidihana ara-pomba fanajana, ny alarobia teo,
✅ny fitsidihana ifotony ny lalambe migodana, teny amin'ny PK0 Ambodifasina, ny alakamisy teo
🚧ny fidinana teny amin'ny PK80 Anjozorobe, androany asabotsy.
Mitohy amin’ireo fivoriana ara-teknika sy fakan-kevitra miaraka amin’ireo teknisianin’ny Minisiteran'ny Asa Vaventy sy ireo mpiara-miombon’antoka hafa, anisan’izany ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny fandaharam-potoanan’ny delegasion'ny
BADEA tonga eto Madagasikara ireto.