LALANA 5KM AO AMBILA - MANAKARA

07/04/2025
Photo

Fanamboarana lalana miavaka no tanterahina ao Ambila, distrikan’i Manakara amin’izao fotoana izao. Izany moa dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny UNOPS sy ny tetikasa DEFIS.Mirefy 5km ity piste rurale amboarina ity. Akora manokana antsoina hoe Geocel, vita amin’ny polyéthynèle haute densité (HDPE) no ampiasaina amin’izany.10 cm ny haavon’ny Geocel, totofana tany ary mbola ampiana tany hatrany amin’ ny 15 cm miala eo amboniny.

Raha 3 hatramin’ny 5 taona monja ny faharetan’ny lalana tany tsotra, dia mety haharitra hatramin’ny 10 taona kosa ny lalana ampiasana an’ity teknolojia vaovao ity.Efa io teknolojia io no ampiasaina betsaka any ivelany rehefa hanamboatra lalana.

Tetik’asa izay hanamora ny fivezivezen’ny mponina sy ny mpitatitra ary indrindra hampihenana ny tsy fitoviana ara-pivelomana eny ambanivohitra.

#DRTPFitovinany #UNOPS #TetikasaDEFIS