LALANA KAOMINALY : MANOHANA NY TETIKASA LALANAY NY MTP
07/06/2025

Tamin’ny 4 jona 2025 no nanombohana ofisialy tao amin’ny Motel Anosy ny tetikasa Lalanay iarahana amin’ny ONG Lalàna. Kaominina 7 avy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony no voakasiky ny tetikasa, izay mikendry ny hanamafy sy hanatsara ny fitantanana sy fikojakojana maharitra ny lalana kaominina.
Na dia tsy tompon’andraikitra mivantana aza, dia manohana ny tetikasa ny Minisiteran’ny Asa Vaventy (MTP), indrindra amin’ny fanaraha-maso sy ny fenitra, satria manampy betsaka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eny ifotony.