MROR : FANAVAOZANA LEHIBE HOAN’NY FIKOJAKOJANA NY LALANA ETO MADAGASIKARA.

Efa miditra amin’ny dingana fanatanterahana ny tetikasa Marché Routier à Obligation de Résultat (MROR) ny eto Madagasikara, taorian’ny fanomezana ny tsenam-barotra ho an’ireo orinasa mpanatanteraka sy ny Mission de Suivi et de Vérification (MSV). Manamarika ny fiovam-pijery amin’ny fikojakojana lalana izany : tsy vitan’ny hoe fepetra an-tsoratra intsony ny MROR, fa efa manomboka mihatra eny ifotony. Nandray anjara tamin’ny atrikasa niarahana tamin’i Mr Andreas Sc., manam-pahaizana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, hanazavana ny fomba fiasa sy ny fenitra takiana amin’ny asa.
Efa voafaritra ihany koa ireo lalam-pirenena efatra hiaingana amin’ity tetikasa ity : ny RN9 (Toliara–Analamisampy), ny RNS44 (Moramanga–Amboasary), ny RNS43 (Soavinandriana–Faratsiho) ary ny RN65 (rocade d’Iarivo). Misy dingana roa isaky ny lalana: fanarenana tanteraka, arahin’ny fikarakarana mitohy mandritra ny fifanarahana. Amin’ny alalan’ny MROR, tanjon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy ny hananganana fomba fitantanana mifototra amin’ny vokatra hita maso sy maharitra, manome lanja ny fahafaham-pon’ny vahoaka sy ny fivoaran’ny toekarena.