𝗥𝗡𝟭𝟮𝗔 Taolagnaro - Ebakika : Mandroso hatrany ny asa fanamboarana

22/09/2025
𝗥𝗡𝟭𝟮𝗔 Taolagnaro - Ebakika

🛤️Efa voarakotra tara avokoa ny 44 km mampitohy an’i Taolagnaro sy Ebakika, ao anatin' ny lalam-pirenena faha-12A (RN12A).

Vita fanavaozana sy fanamboarana daholo koa ireo tetezana 5.

🗓️Araka ny vinavina, dia amin’ny faran’ny volana Oktobra ho avy izao no ho vita tanteraka ny asa.

🔸Ankoatra ny fanatsarana ny fidirana sy fifandraisana eo amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, dia mitondra tombontsoa mivantana amin’ny vahoaka eny ifotony izao asa izao. Fampitomboana ny fifamoivoizana ara-barotra, fanamorana ny fitaterana vokatra, fidiran’ny mpizaha tany ary fanokafana ny varavarana ho amin’ny fampandrosoana no isan’ny voka-tsoa andrasana.

Ao anatin'ny tetik’asa PACFC I ity asa ity. Ny orinasa CRCC kosa no mpanatanteraka.