RN2 Antananarivo – Toamasina : Nomena toromarika mazava hanafaingana ny asa fanamboarana ireo Orinasa

Tao Brickaville androany, namory ireo Orinasa rehetra manatanteraka asa fanamboarana ny RN2, ny Minisitry nyAsa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore.
Mazava ny toromarika nomena:
Tsy maintsy hafainganina ny asa ao anatin' ity efa-bolana farany amin' ny taona 2025.
Tsy sakana intsony manko ny rotsak'orana satria efa maina ny andro.
tokony hampitombo sy hanampy ireo fitaovana hampiasainy ireo Orinasa,
ilaina koa ny fandrindrana asa, miaraka amin' ny fe- potoana voafaritra mazava,
Miasa andro aman' alina hanenjehana ny fahatarana misy ny Orinasa.
Notsindriana manokana ny fanarenana, ao anatin'ny herinandro, ireo teboka tena mbola manahirana mialohan' ny fandalovan' ny Convoi exceptionnel.
Tsiahivina fa Orinasa 4 no miara-mananteraka ny asa fanamboarana ny Lalam-pirenena faha-2, avy eto Antananarivo hatrany Toamasina, ao anatin' ny famatsiam-bolan' ny Tahirim- bola ho an' ny Lalana sy ny Banky Iraisam-pirenena.