RN2 : FITSIDIHANA NATAON’NY MINISITRA HANAMAFISANA NY FANARAHA-MASO IREO ASA LAHARAM-PAHAMEHANA

12/06/2025
RN2

Lalana manan-danja amin’ny fifandraisana sy ny toekarena eto amin’ny firenena ny lalam-pirenena faharoa (RN2) mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina. Nidina ifotony nijery ny fandehan’ny asa teny an-toerana ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore, ny 11 Jona teo, niaraka tamin’ireo teknisianina, mba hanara-maso mivantana sy hanome toromarika amin’ny fanatanterahana haingana sy ara-kalitao ireo asa fanarenana. Araka ny nambarany, laharam-pahamehana ny fanarenana sy fanatsarana ireo lalam-pirenena be mpampiasa indrindra alohan’ny taona 2026.

Tafiditra amin’ireo asa tanterahana amin’izao fotoana izao ny fanamafisana sy fanarenana ireo tetezana 13 eo anelanelan’i Moramanga sy Toamasina, asa izay efa natomboka hatramin’ny fiandohan’ny taona 2025. Efa misy amin’ireo tetezana ireo no vita sy matanjaka ankehitriny, ary mitohy tsy an-kiato ny fanatanterahana ny ambiny. Tanjona amin’izany ny hahafahan’ireo kamiao mitatitra milina mpamokatra herinaratra mitambatra 105 MW mandalo tsy misy olana. Ity ezaka ity dia mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fanamafisana ny fahaleovantena ara-angovo eto amin’ny firenena.