RN2 / LALAM-PIRENENA FAHA-2: MITOHY NY EZAKA FANARENANA

Orinasa 3 lehibe no mifarimbona amin'ny fanarenana ny Lalam-pirenena faha-2, amin'izao fotoana izao.
Ankoatra ireo Orinasa sinoa 2, izay misahana ny fanamboarana ny avy eo πππ¦πππ’π§π hatreny ππ¨π«ππ¦ππ§π π sy ny eo πππ§π¨π¦ππππ§π hatreny ππ¦π©ππ¬π’π¦πππ’π§π’π€π, vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola, dia efa niditra an-tsehatra koa ny Orinasa πππππ.
Fanamboarana manontolo ny avy eo π ππ§ππ§ππ«ππ§π no iandraiketany, ary tafiditra ao anatin'izany ny eo ππ§ππ¬ππ§π ππ¦ππππ¨π¦ππ«π¨, izay iray amin'ireo toerana tena mampijaly ny mpampiasa Lalana.
Nijery ny fizotry ny asa tao ππ§ππ¬ππ§π ππ¦ππππ¨π¦ππ«π¨, androany, ny Minisitry ny Asa Vaventy πππ ππππππ ππ’ππ‘ππ«π ππ‘πΜπ¨ππ¨π«π.
Nambarany fa ankoatry ny asa efa mandeha, dia hiazakazahana koa ny fanarenana ireo teboka tena manahirana, ny eo πππ₯π―π’π₯π₯π ka hatrany ππ¦π©ππ¬ππ¦πππ’π§π’π€π.
Efa am-perinasa koa ny Orinasa Malagasy manao ny Lalana miditra an'i ππ«π’ππ€ππ―π’π₯π₯π, ny eo an- tampon-tanana ary ny eny amin'ny Tetezana mivoaka ny tanana hatreny amin'ny Fokontanin'i πππ§ππ π’π¬π².
Ny vao miainga eto ππ§πππ§ππ§ππ«π’π―π¨ hatrany πππ¦πππ’π§π koa moa dia efa 10 andro izao no mandeha ny asa, tontosain'ny Orinasa πππ.
Mitana ny teny nomeny ny Fitondram-panjakana, hoy ny Minisitra. Amin'io fialan-tsasatra lehibe io dia hahita fiovana mihabo isika amin'ireo Lalam-pirenena mampifandray an'i Madagasikara, indrindra fa ny πππ.
#MTP #miasahoanao #RN2 #Antsangambatomaro #asafanarenanalalana