RN2 : MANAMAFY NY FANARAHA-MASO NY ASAN’IREO ORINASA ENY AN-KIANJA NY MINISITRA MBA HO FANAFAINGANANA NY ASA
19/09/2025

Taorian'ny fivoriana niarahana taminireo Orinasa, izay notanterahina tao Brickaville, ny zoma lasa teo, izay nanomezana baiko entitra ireo Orinasa ny hanafainganana ny asa amin'izao andro maina izao sy ho fiomanana amin'ny Convoi exceptionnel, dia nidina an-kianja nanara-maso ny fanatanterahana ireo baiko nomena, androany, ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore sy ireo Tekinisianina.
Azo tsapain-tanana ny fandrosoan'ny asa sy ny fihatsarana.
Nanamafy ny Minisitra fa vonona amin'ny fiakaran'ny CONVOI EXCEPTIONNEL ny RN2.