RN2: MIROSO HATRANY NY ASA, HO AN’NY LALANA AZO ANTOKA SY MAHARITRA

30/04/2025
Photo

Mandroso hatrany ny ezaka amin’ny fikojakojana ny Lalam-pirenena faharoa (RN2) izay mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina, làlana tena manan-danja amin’ny fifamezivezena sy ny toekarena nasionaly. Amin’izao fotoana izao, mifantoka amin’ny sombin-dàlana Antananarivo – Moramanga ny asa. Efa vita amin’ny ankapobeny ny fandrangotana (scarification), ny fametrahana ny sosona fototra, ary koa ny fanaparitahana ny « couche d’imprégnation sy monocouche », izay ilaina amin’ny fanamafisana ny tany sy fanomanana ny fametrahana tara.

Etsy ankilany, manomboka eo Moramanga ka hatrany Toamasina, efa natomboka ny dingana fiomanana amin’ny fanombohan’ny asa lehibe ka misy ny asa fanandramana (planche d’essai) ho an’ny sosona fototra. Mandritra izany fotoana izany, mitohy hatrany ny fikarakarana ireo toerana tena marefo mba hahafahan’ny fifamoivoizana mitohy tsy tapaka. Tsy ho ela dia hiroso amin’ny asa fototra goavana ireo orinasa. Ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa PDDR ary ny Tahirim-bolan’ny làlana no manohana ireo asa ireo, izay mikendry ny hanavaozana sy hanamafisana ny fotodrafitrasa eto Madagasikara ho maharitra sy mifanaraka amin’ny fenitra.

#MTP #MTPmiasahoanao #RN2 #AntananarivoToamasina