RN6 Ambondromamy-Antsohihy

Mitohy ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-6 (RN6), eo anelanelan’i Ambondromamy sy Antsohihy.
Betsaka ny zava-bita sy ireo asa mandeha :
𝑴𝒂𝒊𝒏𝒕𝒊𝒆𝒏 𝒅𝒆 𝒍𝒂 𝒄𝒊𝒓𝒄𝒖𝒍𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏: Efa vita tanteraka ny asa fiantohana ny fandehanan’ny fifamoivoizana eo anelanelan’ny PK 93 Ambohitoka sy PK 235 Anjiamangirana.
𝑫𝒂𝒍𝒐𝒕𝒔:
Vita ny ferraillage sy coffrage amin’ireo dalots dimy eo amin’ny PK 219 – PK 223, izay vinavinaina ho ahosotra (coulé) amin’ity herinandro ity.
𝑪𝒐𝒖𝒄𝒉𝒆 𝒅𝒆 𝒇𝒐𝒓𝒎𝒆:
-Eo anelanelan’ny PK 126+010 sy PK 126+720 (Ampondralava – Tsarahasina) dia vita tanteraka (100%).
-Eo anelanelan’ny PK 220+650 sy PK 230 (Analamokonazy – Anjiamangirana II) dia efa 90% ny fandrosoana.
𝑹𝒂𝒅𝒊𝒆𝒓 𝒂𝒍𝒗𝒆́𝒐𝒍𝒆́:
-Eo amin’ny PK 234+200 ao Anjiamangirana, vita ny matelas en enrochement 100/200 kg sy ny gros béton ho fototra.
-Eo amin’ny PK 189+800 ao Marovantaza, vita ihany koa ny matelas en enrochement 100/200 kg ho an’ny radier alvéolé.
Na dia mbola eo am-panatanterahana aza ny asa maro, ao anatin' ity tetikasa CERC-PCMCI,
tohanan' ny Banky Iraisam-pirenena ity, dia efa mampiseho fivoarana lehibe amin' iny Lalam-pirenena faha-6 iny izany.
Tanjona ny hanomezana lalana azo antoka sy maharitra ho an’ny mponina sy ny mpampiasa lalana rehetra, izay fototra lehibe amin’ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-tsosialy.