RN6 Antsohihy - Ambanja

23/09/2025
RN6 Antsohihy - Ambanja

Manohy ny asa avy eo Ambondromamy hatrany Antsohihy, mandroso hatrany koa ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahenina (RN6), eo anelanelan’i Antsohihy sy Ambanja, izay ataon’ny orinasa Colas ao anatin’ny tetikasa CERC-PCMCI, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena.

Efa tsapan’ny mpampiasa lalana ny vokatra sy ny fahatsarana aterak’io asa io, satria mihatsara ny fivezivezena amin’ireo ampahan-dalana efa nodiovina sy namboarina.

Anisan’ny zava-bita amin’izao fotoana:

📍Dalots 5 amin’ny 10 no efa natomboka, ary 3 amin’ireo dia vita tanteraka.

📌Ny chaussée dia efa vita amin’ny ambaratonga couche de fondation sy couche de base manomboka eo anelanelan’ny PK 461+500 Ambanja hatramin’ny PK 367 Mahitsihazo.

📎Efa mandeha ihany koa amin’izao fotoana ny imprégnation ao amin’ny faritra manakaiky an’i Ambanja.

Manamafy izany rehetra izany fa mitohy araka ny tokony ho izy ny asa, ary mampanantena fiovana lehibe eo amin’ny kalitaon’ny lalana sy ny fivezivezena any amin’ity faritra avaratr’i Madagasikara ity izany.